بطاقة الكتاب بيان معاني القرآن باللغة الملغاشية عنوان الكتاب الثلاثون ) بيان معا ني جزء عم ( ا مجلد أزهار الدين تياندرازانا إعداد ٢٠٢٣ م / ١٤٤٤ هـ سنة الإصدار ترجمة معنوية معتمدة على تفسير الطبري ١. و ضوح العبارة وسهولتها ٢. مميزات KARA-PANONDROM-BOKY Lohateniny Fanazavana ny Korany amin'ny teny malagasy Boky (tome) fahatelopolo (fanazavana jozo Ama) Nanomana azy Ezihardine Tiandrazana Taona nivoahany 2023 Ny mampiavaka azy 1. Dikanteny ara-kevitra miorina amin' ny tafsirin'i Imam Tabari 2. Tsotra sy mora azo الفرق بين (Ny maha samy hafa ny) الترجمة الحرفية (Dikanteny ara-bakiteny) الترجمة المعنوية (Dikanteny ara-kevitra) ترجمة الكلمة بالكلمة (fandikana ara-boanteny) ترجمة المعنى بالمعنى (fandikana ny tian-kambara) مثال (Ohatra) 1. Noho ny fahazaran'ireo Koraisy; 2. fahazaran'izy ireo amin'ny fandehanana mandritra ny ririnina sy ny fahavaratra. ترجمة حرفية : لأجل اعتياد قريش اعتيادهم على رحلة الشتاء والصيف 1. (Aoka ianareo ho gaga) amin'ny fahazaran'ireo Koraisy; 2. fahazaran'izy ireo mandeha (mankany Emena) mandritra ny ririnina, sy (mankany Siria) mandritra ny fahavaratra. ترجمة معنوية ) : اعجبوا ( لعادة قريش عادتهم َ رحلة الشتاء ) إلى اليمن ،( و ) رحلة ( الصيف ) إلى الشام ( ا Jozo (ampahatelopolo) faha-30 Sora (toko) faha-78 S078 AN-NABA' (Ny vaovao) Amin'ny anaran'i Allah, Ilay be Indrafo [a] , Ilay Mpamindrafo [b] (no hanombohako ny famakiana Korany) 1. Momba inona moa no ifanontanian' ireo (mpanompo sampy ry Mpaminany)? 2. Momba ny vaovao lehibe, (dia ny Korany va?); 3. izay tsy mampitovy hevitra azy ireo; (ka ny sasany milaza fa tononkalo, ary ny sasany indray milaza fa tenin'ny mpanao majika, ary ny sasany milaza fa anganon'ny ntaolo). 4. Tsia! [d] Ho fantatr'izy ireo (ny vokatry ny fiampangana ny Korany ho lainga). 5. Averiko indray mandeha: Tsia! [d] Ho fantatr'izy ireo (ny vokatry ny fiampangana ny Korany ho lainga). 6. Moa tsy nataonay mitovy tantana [e] va ny tany;(ka azo onenana )? 7. Ary ireo tendrombohitra, (moa tsy nataonay) ho tohana(miaro ny tany tsy hihozongozona)? 8. Ary (moa tsy) noharianay ho lahy sy vavy ianareo? 9. Ary (moa tsy) nataonay ho fialan-tsasatra ny torimasonareo? 10. Ary (moa tsy) nataonay ho firakotra (ho anareo) ny (haizin'ny) alina? 11. Ary (moa tsy) nataonay ho fitadiavam-pivelomana ny andro? 12. Ary (moa tsy) nanorina (lanitra) fito mafy orina eo amboninareo Izahay? 13. Ary (moa tsy) nametrahanay (masoandro izay) jiro manazava sady tena mafana (teny)? 14. Ary (moa tsy) nampidina rano betsaka avy amin'ny rahona Izahay?; 15. mba hampitsirianay ny voa sy ny zavamaniry (amin'ny alalan'izany), 16. ary ireo saha mandrobona [f] 17. Efa voafaritra tokoa ny andro fanasokajiana (anareo zavaboahariko, dia ny andro farany izany); 18. andro izay hitsofana ny anjomara, ka ho avy amin'andiany ianareo; 19. ary hisokatra ny lanitra izay ho (miendrika) varavarana; 20. ary hihetsika ireo tendrombohitra , ka ho lasa manodoka [g] 21. Miambina fatratra tokoa ny Afobe, 22. (izay) toeram-podiana ho an'ireo mpandika lalàna; 23. hijanona ao aman-taonjatony maro (izy ireo); 24. (Sady) tsy hahazo [h] (rivotra) mangatsiatsiaka (izy ireo ao) no tsy hahazo zava-pisotro; 25. afa-tsy rano mangotraka sy nana. 26. (Izany no) valin'asa sahaza. 27. Tsy nieritreritra ny ho tsaraina tokoa izy ireo; 28. ary nilaza ho lainga ireo andininy avy Aminay. 29. Ary noraiketinay an-tsoratra avokoa ny zavatra rehetra (nataon'izy ireo). 30. Koa andramonareo àry, fa ny famaizana ihany no hampitomboinay ho anareo! g [a] Ilay be Indrafo: anisan'ireo anaram-boninahitra iantsoana an'i Allah. Ny hevitra fonosiny dia hoe "miantra ny rehetra i Allah, na mpino na tsy mpino; izany dia mandra-pahatongavan'ny andro farany". [b] Ilay Mpamindrafo: anaram-boninahitra hafa izay midika hoe "miantra ny rehetra ankoatr'ireo tsy mpino i Allah amin'ny andro farany". "Mpamindrafo" (mpangoraka) fa tsy "mpamindra fo" (mpitsabo mpanolo fo marary). [d] Tsia!: tenim-piontanana faneronana, fa tsy fandavana tsy akory [e] Mitovy tantana: ara-bakiteny hoe "kidoro". [f] Mandrobona: mirobona, midoroboka fatratra. [g] Manodoka: mamita-maso. Ny teny hoe "sarab" dia midika hoe "fisehoana mamita-maso" [h] Hahazo: ara-bakiteny hoe "hanandrana" pejy 582 Jozo (ampahatelopolo) faha-30 Sora (toko) faha-79 31. Fahombiazana tokoa no ho an'ireo vontompinoana, 32. dia ireo zaridaina sy voaloboka (izany), 33. sy ireo tovovavy mamontsin-nono [a] , mitovy hatanorana, 34. ary kapoaka safo moron-divay [b] 35. Tsy handre teny tsy maotina sy lainga izy ireo ao. 36. (Izany dia ho) valisoa avy amin'ny Tomponao; (izany dia) fanomezana sesehena [d] ; 37. (avy amin'ny) Tompon ' ny lanitra sy ny tany sy izay eo anelanelany, Ilay be Indrafo. Tsy (afaka) hiresaka Aminy mihitsy ireo (zavaboahariny amin'ny andro farany) 38. amin'ny andro izay hilaharan'i Jibrily [e] (Gabriela) arikanjely sy ireo Anjely. Tsy (afaka) hiloa-bava (ireo zavaboahary); afa-tsy izay nomen'Ilay be Indrafo alalana; ary hiteny ny marina. 39. Hiseho [f] (tokoa) izany andro izany. Koa aoka àry hiverina amin'ny Tompony izay mila (fanavota- na). 40. Nampitandrina anareo tokoa Izahay ny amin'ny famaizana tsy ho ela; (dia ny famaizana) amin'ny andro hahitan'ny olona izay nataony; ary (amin'izany andro izany) hiteny ireo tsy mpino hoe: “ Indrisy! Raha mba nijanona ho vovoka mantsy aho ” S079 AN-NAZI'AT (Ireo mpaka an-keriny) Amin'ny anaran'i Allah, Ilay be Indrafo, Ilay Mpamindrafo [g] 1. Izaho (Allah) dia mianiana [h] amin'ireo (Anjely) mpaka an-keriny (ny fofon'aina), 2. sy amin'ireo (Anjely) mpanala amim-palefahana (ny fofon'aina), 3. sy amin'ireo (Anjely) mpanao tasbihy, 4. sy amin'ireo (Anjely) mpihazakazaka (mamita iraka), 5. ary amin'ireo (Anjely) izay mandrindra raharaha (amin'ny andro farany) 6. amin'ny andro izay hampihorohoro (ny tany noho) ny tsoka anjomara voalohany; (izay tsoka famonoana izay rehetra mbola velona); 7. dia arahin'ny tsoka anjomara faharoa (avy eo; izay tsoka famelomana ny maty. Mianiana [h] amin'ireo Anjely ireo Aho fa tsy maintsy hatsangana amin'ny maty ianareo ary tsy maintsy ho tsaraina). 8. Ho feno tebiteby ny fon'(ireo tsy mpino) amin'izany andro izany, 9. (ary) hitanondrika ny fijerin'(izy ireo). 10. Ny tenin'izy ireo (tamin'ny fahavelony) dia hoe: “ Moa averina indray amin'ny fiainanay voalohany va izahay, 11. na dia efa taolana potika aza? ” 12. Hoy (ihany) izy ireo (namaly): “ Ho fiverenana feno fatiantoka tokoa izany! ” 13. (Hoy Aho mantsy azy ireo:)Tsy hisy afa-tsy feo tokana ihany, 14. dia indro fa ho ety ambonin'ny tany izy ireo. 15. Tonga taminao va ny nanjo an'i Mosa (Mosesy)? g [a] Mamontsin-nono: vao mitsiry nono [b] Safo morona: feno dia feno ka mifamatra tsara amin'ny molotry ny kapoaka [d] Sesehena: be dia be [e] Jibrily arikanjely: ara-bakiteny hoe "ilay fanahy" [f] Hiseho: marina [g] Jereo ny toko "An-Naba'" (pejy 582) raha mila fanazavana mikasika ny "Bismillah" [h] Allah dia afaka mianiana amin'izay nohariany. Isika kosa dia tsy mahazo mianiana afa-tsy aminy irery ihany. pejy 583 Jozo (ampahatelopolo) faha-30 Sora (toko) faha-79 16. Rehefa niantso azy ny Tompony, tao amin'ny lohasaha masina Toa, 17. (hoe:) "mandehana any amin'i Firaona (Farao) ianao, fa tena nihoa-pefy izy. 18. Dia lazao (azy) hoe: “ Te-hidio va ianao? 19. Sy te-hotarihiko any amin' ny Tomponao, ka hanam-pahatahorana? ” 20. Dia nasehony azy ny fahagagana lehibe (izay manamarika fa tena irak'Ilay Nahary nalefa taminy tokoa izy, dia ny tanany sy ny tehiny izany) 21. Dia nilaza izany ho lainga izy (Firaona), sy tsy nankatò (an'i Mosa); 22. ary avy eo, nanohitra mafy [a] ; 23. ka namory olona, sy nanao fiantsoana, 24. ary niteny hoe: “ Izaho no tompo- nareo, ilay avo indrindra! ” 25. Ka dia nosazian'i Allah tamin'ny famaizana any an-koatra sy eto an-tany izy. 26. Misy anatra ho an'izay manam- pahatahorana tokoa izany. 27. (Ry tsy mpino ny fitsanganana amin'ny maty), fahariana anareo (fanindroany aorian' ny fahafatesanareo) va no sarotra kokoa, sa ny lanitra (izay) namboariny ? 28. (izay) nasandrany ambony, sy nataony mitovy tantana. 29. Ary nataony maizina ny alina [b] , ary nataony mazava ny andro. 30. Ary nataony midadasika avy eo ny tany. 31. Navoakany avy amin'izany (tany izany) ny rano [d] sy ny ahitra. 32. Ary ireo tendrombohitra kosa nataony ho andry (mitohana ny tany). 33. (Izany rehetra izany dia nataony,) ho fahafinaretanareo, sy ireo biby fiompi- nareo. 34. Fa rehefa tonga ilay loza lehibe,(dia ny tsoka anjomara faharoa izany, izay tsoka famelomana ny maty; rehefa tonga izany dia ho fantatr'izy ireo ny ho fiafaran'izy ireo) 35. amin'ny andro izay hahatsiarovan'ny olona ny ezaka nataony, 36. Ary (amin'izany andro izany) haseho mibaribary amin'izay mijery azy ny Afobe. 37. Ka izay nihoa-pefy, 38. sy nisafidy ny fiainana an-tany, 39. dia ny Afobe no ho fialofany. 40. Ary izay natahotra ny hijoro eo anatrehan'ny Tompony, sy nifehy ny tenany amin'ny (fanarahana) ny sitrapo kosa, 41. dia ny Paradisa no ho fialofany. 42. Manontany anao mikasika ilay Ora (ry Mohamady) ireo (tsy mpino ny fitsanganana amin'ny maty) hoe: “ Rahoviana izany no higadona? ” 43. (Tsy manam-pahalalana momba izany ianao ry Mohamady, ka) amin'ny fomba ahoana no ilazanao izany (amin'izy ireo)? 44. Tsy misy afa-tsy ny Tomponao ihany no Mahalala izany. 45. Tsy inona akory ianao afa-tsy mpampitandrina izay olona matahotra izany ihany. 46. Ho toy ny indray hariva, na indray maraina ihany no fahitan'izy ireo ny fijanonany (tety an-tany), amin'ny andro hahitan'izy ireo izany. [a] Nanohitra mafy: ara-bakiteny hoe "nitodi-damosina amim-pihazakazahana" [b] Alina ... andro: ara-bakiteny hoe "aliny ... androny" [d] Rano ... ahitra: ara-bakiteny "ranony ... ahiny" pejy 584 Jozo (ampahatelopolo) faha-30 Sora (toko) faha-80 S080 'ABASA (Niketrona izy) Amin'ny anaran'i Allah, Ilay be Indrafo, Ilay Mpamindrafo [a] (no hanombohako ny famakiana Korany) 1. Niketrona izy, ary nandao; 2. noho ny fahatongavan'ilay jamba teo aminy. 3. Aiza moa no hahalalanao sao mba te-hanadio ny fanahiny izy; 4. na mahatsapa tena, ka hahazo tombontsoa amin'ny fampahatsiahivana. 5. Ilay mahita ny tenany fa manana ny ampy kosa; 6. dodona ery ianao hihaona aminy. 7. Nefa tsy misy tsiny ho anao, na dia tsy te-hanadio ny fanahiny aza izy. 8. Ary ilay tonga nihazakazaka teo aminao kosa, 9. tamim-pahatahorana , 10. dia tsy noraharahainao. 11. Tsy tokony (hanao izany ianao, ry Mpami- nany). Fampahatsiahivana tokoa ity. 12. Koa izay maniry (hahatsiahy azy ity), dia aoka hahatsiahy, 13. (Izy ity dia fampahatsiahivana voatahiry) anaty takelaka be voninahitra, (dia ny takelaka mirakitra ny laha-javaboahary izany), 14. ambony sy madio, 15. eny am-pelatànan'ireo (Anjely) mpitan- tsoratra, 16. mendrika sy mpankato. 17. Voaozona ny olombelona (tsy mpino) noho ny tsy finoany. 18. Avy amin'inona loatra moa no Nahariany azy (ka nahatonga azy hanambony tena, tsy hankatò Azy)? 19. Avy amin' ny tsirinaina no Nahariany azy, ary voarindra tsara; 20. avy eo, dia nohamorainy ny làlan-kizorany, (dia ny lalan-kivoahany avy ao an-kibon-dreniny izany) 21. Avy eo, dia hampisedra fahafatesana azy Izy, ary hampiditra azy ao am-pasana. 22. Avy eo, raha sitrany, dia hatsangany amin'ny maty izy. 23. (Hoy ny olombelona tsy mpino: Nahavita adidy amin'ny Tompoko aho). Tsia! tsy nahatanteraka izay nandidiany azy izy. 24. Koa aoka àry ny olombelona (tsy mpino) handinika ireo sakafony 25. Izahay tokoa no nandrotsaka ny ranon'orana sesehena, 26. avy eo, nampitriatra ny tany. 27. Ka nam- pitsirianay voa teo aminy, 28. sy voaloboka, sy vilombazaha [a] , 29. sy oliva, sy palma [b] , 30. sy saha rakotr'ala, 31. sy voankazo, sy vilona. 32. Izany dia mba ho fahafinaretanareo, sy ireo biby fiompinareo. 33. Fa rehefa tonga ilay hiaka mafy, (dia ny tsoka anjomara faharoa izany, izay tsoka famelomana ny maty) 34. amin'ny andro izay handosiran'ny olona ny rahalahany, 35. sy (handosirany) ny reniny sy ny rainy, 36. sy (handosirany) ny vady aman-janany; 37. samy hanana zava-manahirana azy ny tsirairay amin'izany andro izany (ka hanadino havana), 38. (Hisy) tarehy mirana amin'izany andro izany, 39. faly [d] sy ravoravo. 40. Ary (hisy) tarehy feno vovoka ihany koa amin'izany andro izany, 41. rakotry ny fahafa ham -baraka. 42. Ireo no tsy mpino, sy be fahotana. [a] Vilombazaha ( قَضْب / ّ قَت / فِصْفِصة ): lozerina ("luzerne" no ahalalan'ny frantsay azy; ary "medicago sativa" kosa no anarany ara-tsiansa) [b] Palma ( نخل): ilazana ireo zavamaniry iray fianakaviana amin'ny antrendry, toy ny: vakaka, satrana, banty. "Palme" no ahalalan'ny frantsay azy. Ary "phoenix" no anarany ara-tsiansa. [d] Faly: ara-bakiteny hoe "mihomehy" pejy 585 Jozo (ampahatelopolo) faha-30 Sora (toko) faha-81 S081 AT-TAKWIR (Ny famonosana) Amin'ny anaran'i Allah, Ilay be Indrafo, Ilay Mpamindrafo [a] (no hanombohako ny famakiana Korany) 1. Rehefa ho voafono ny masoandro, (ka ho maty ny hazavany); 2. sy rehefa hilatsaka ny kintana, (ka ho maty ny hazavany) 3. sy rehefa hihetsika ny tendrombohitra, (ka hiala amin'ny fitoerany); 4. sy rehefa tsy raharahaina intsony ireo rameva akaiky hiteraka; 5. sy rehefa havory ireo bibidia; 6. sy rehefa hirehitra ireo ranomasina; 7. sy rehefa hampiarahina araka ny sokajiny avy ny fanahy, (ka ny fanahy ratsy hampiarahina amin'ny fanahy ratsy, ary ny fanahy tsara hampiarahina amin'ny fanahy tsara); 8. sy rehefa hanontaniana ireo zazavavy nalevim- belona (hoe:) 9. "Inona loatra ny fahotana nataony ka namonoana azy?"; 10. sy rehefa hovelarina ireo takelaka (mirakitra ny asan'ny mpanompo, mba ho vakian'ny tsirairay ny azy); 11. sy rehefa ho endahina ny (fonon'ny) lanitra; 12. sy rehefa haredareda ny Afobe; 13. sy rehefa hampanatonina (ireo vontompinoana) ny Paradisa, 14. (Rehefa hiseho ireo rehetra ireo,) dia ho fantatry ny fanahy (tsirairay) ny zava-bitany. 15. Koa (eto indrindra) Aho (Tomponareo) mianiana [b] amin'ireo kintana tsy hita maso (izay mipoitra rehefa tonga ny alina), 16. izay mandeha (eny amin'ny sori-dala-mihodina, ary) manjavona (raha vao mangiran-dratsy); 17. sy amin' ny alina rehefa ho lasa, 18. ary amin'ny maraina rehefa manome tara-pahazavana, 19. (Mianiana [b] amin'izany rehetra izany Aho) fa teni(ko izay nampitain'ny irako Jibrily na Gabriela) ilay Iraka mendri-kaja tokoa ity [d] (Korany ity), 20. izay matanjaka, manana ny voninahiny eo anatrehan'Ilay Tompon'ny seza fiandria- nana. 21. ankatoavi(n'ny Anjely rehetra) any (an-danitra), mendri-pitokiana. 22. Tsy adala akory (i Moha- mady) namanareo; 23. fa efa nahita azy [e] teny amin'ny faravodilanitra mazava izy. 24. Ary tsy nokoboniny ho azy samirery ireo fanambaràna [f] 25. Ary tsy tenin'ny devoly voaozona (toy ny fiheveranareo) akory ity [d] (Korany ity). 26. Ka ho aiza àry ianareo? (Moa mbola mahita lalana hafa ahafahanareo miampanga ny Korany ho lainga va anareo?) 27. Tsy inona akory ity [d] (Korany ity), fa fampahatsiahivana ho an'izao tontolo izao; 28. (fampahatsiahivana) ho an'izay te-hanaraka ny làlana marina aminareo. 29. Ary tsy ho tanteraka mihitsy ny sitraponareo, raha tsy sitrak'i Allah Ilay Tompon'izao tontolo izao. [a] Jereo ny toko "An-Naba'" (pejy 582) raha mila fanazavana mikasika ny "Bismillah" [b] Allah dia afaka mianiana amin'izay nohariany. Isika kosa dia tsy mahazo mianiana afa-tsy aminy irery ihany. [d] Ity: ara-bakiteny hoe "izy" [e] Azy: Jibrily (Gabriela) [f] Fanambaràna: zava-miafina pejy 586 Jozo (ampahatelopolo) faha-30 Sora (toko) faha-82 S082 AL-INFITAR (Ny fitresahana) Amin'ny anaran'i Allah, Ilay be Indrafo, Ilay Mpamindrafo [a] (no hanombohako ny famakiana Korany) 1. Rehefa hitresaka ny lanitra; 2. sy rehefa hilatsaka ireo kintana; 3. sy rehefa hitambatra ireo ranomasina; 4. ary rehefa hofongarina ireo fasana; 5. (rehefa hiseho ireo rehetra ireo,) dia ho fantatry ny fanahy (tsirairay) izay rehetra nataony teo aloha sy tato aoriana. 6. Ry olombelona (tsy mpino )! Inona loatra no nahavoafitaka anao mikasika ny Tomponao Ilay Malala- tanana, 7. Izay Nahary sy Namolavola, ary Nandavorary anao? 8. Tamin'ny endrika izay Tiany no nanamboarany anao. 9. Tsia! (Diso fiheverana ianareo ry olombelona tsy mpino raha milaza fa manana ny rariny amin'ny fanom- poanareo ireo andriamani-tsy izy). Raha ny marina, nilaza ny andro fitsarana ho lainga ianareo. 10. Ary misy (Anjely) mpanara-maso [b] tokoa eo akaikinareo (tsirairay avy), 11. dia ireo mpitan-tsoratra mendrika, 12. (izay) mahafantatra ny rehetra ataonareo (ka raiketiny an-tsoratra). 13. Ho ao amin' ny saham-pahasambarana ireo mpankatò. 14. Ary ireo mpanao ratsy kosa, dia ho ao amin'ny Afobe. 15. Hodorana ao izy ireo amin'ny andro fitsarana. 16. Ary tsy afaka hiala ao na oviana na oviana. 17. Mba fantatrao moa izany andro fitsarana izany (ry Mohamady)? 18. Averiko indray mandeha [d] : Mba fantatrao moa izany an- dro fitsarana izany? 19. Andro izay tsy hananan'ny fanahy fahefana amin'ny fanahy hafa; ary an'i Allah ir- ery ihany ny didy amin' izany andro izany. S083 AL-MUTAFFIFIN (Ireo mpifetsy) [e] Amin'ny anaran'i Allah, Ilay be Indrafo, Ilay Mpamindrafo [a] (no hanombohako ny famakiana Korany) 1. Ho an'ireo mpifetsy ny Oailo; 2. dia ireo izay mitaky fahamarinam-pamarana amin'ny olona rehefa mampamatra ho an'ny tenan'izy ireo; 3. ary rehefa mamatra na mandanja ho an'ny hafa kosa, dia mangala- tra. 4. Moa tsy mihevitra va izy ireo, fa mbola hatsangana amin'ny maty (indray androany)? 5. amin'ny an- dro iray lehibe, 6. amin'ny andro izay hitsanganan'ny olona eo anatrehan'ny Tompon'izao tontolo izao. [a] Jereo ny toko "An-Naba'" (pejy 582) raha mila fanazavana mikasika ny "Bismillah" [b] Mpanara-maso: ara-bakiteny hoe "mpiambina" [d] Averiko indray: ara-bakiteny hoe"avy eo" [e] Mpifetsy: olona mangalatra fatra (na refy) no tiana holazaina eto. Araka ny rakibolana malagasy, mpifetsy dia olona mangalatra amim-pahakingana. [f] Oailo: lohasaha ikorianan'ny nanan'ny olon'ny Afobe. Ara-bakiteny hoe "loza" pejy 587 Jozo (ampahatelopolo) faha-30 Sora (toko) faha-83 7. Tsia! [a] (Diso fiheverana izy ireo raha mihevitra fa tsy hatsangana amin' ny maty). Ny boky mitahiry ny asan' ireo mpanao ratsy, dia ao anatin'ny "sijiny" [b] tokoa. 8. Mba fantatrao moa izany "sijiny" izany? 9. Boky voasora- tra (izany; izay mirakitra ny asan'ireo satana sy ireo mpanao ratsy; any amin' ny tany fahafito no misy azy). 10. Oailo [d] no ho an'ireo mpilaza ho lainga amin'izany andro izany! 11. dia ireo nilaza ny andro fitsarana ho lainga (izany) 12. Ary tsy misy milaza izany ho lainga, afa-tsy ireo mpihoa-pefy izay be fahotana ihany. 13. Rehefa vakiana aminy ny fanambarana avy Aminay, dia milaza izy fa anganon'ny ntaolo (izany). 14. Tsia! [a] (Diso fihe- verana izy ireo raha mihevitra izany) Raha ny marina, rakotr'ireo (asa ratsy) nataony ny fon'izy ireo. 15. Tsia! [a] (Diso fiheverana izy ireo) Hisy takona tokoa hanakona azy ireo amin'ny Tompony, amin'izany andro izany. 16. Avy eo, dia hodorana amin'ny Afobe izy ireo. 17. Avy eo, dia hambara azy ireo hoe: “ Io àry ilay nolazainareo ho lainga ” 18. Tsia! ( Diso fiheverana izy ireo raha mihevitra fa tsy hatsanga- na amin'ny maty) Ny boky mitahiry ny asan'ireo mpankatò, dia any amin'ny "iliona" [e] 19. Mba fantatrao moa izany "iliona" izany? 20. Boky voasoratra (izany, izay mirakitra ny asan'ireo Anjely sy ireo mpanao soa; any amin'ny Paradisa fara-tampony no misy azy) 21. Ho vavolombelon'izany ireo (Anjely) akaiky (an'i Allah). 22. Ho ao amin'ny saham- pahasambarana tokoa ireo mpankatò. 23. Eny ambony sezalava izy ireo no hitazana (ny zava-mahafinaritra rehetra). 24. Ho hitanao soritra eny amin'ny tarehiny ny tara-pahasambarana. 25. Haroso ho azy ireo ny divay (ao anaty siny) voaisy tombo-kase; 26. (izay) mamela fofona mioska (manitra). Koa aoka hifaninana mba hahazo an'izany (fahasambarana izany) ireo mpifaninana (amin'ny fanaovan-tsoa). 27. Ary izany (divay izany), dia mifangaro amin'ny (loharano izay antsoina hoe) tasnima; 28. izay loharano fisotron'ireo akaiky an'i Allah. 29. Nihomehy ireo mpino tokoa ireo mpanao ratsy (teny ambony tany). 30. Ary rehefa mandalo eo anoloan'ireo mpino izy ireo, dia mamimaso, (ary izany dia anisan'ny fomba entin'izy ireo hanesoana ireo mpino). 31. Ary rehefa mody any amin'ny vady aman-janany izy ireo, dia mody amim- pifaliana; (faly izy ireo satria naneso ireo mpino). 32. Ary raha mahita azy ireo [f] izy ireo dia miteny hoe: “ Tena very làlana ireny (olon'i Mohamady ireny) ” 33. Nefa izy ireo tsy nirahina hanara-maso azy ireny! 34. Anio indray, dia ny mpino no hihomehy ireo tsy mpino. [a] Tsia!: tenim-piontanana faneronana, fa tsy fandavana tsy akory [b] Sijiny: ny fanazavana io teny io dia hita ao amin'ny andininy faha-8 sy faha-9 [f] Oailo: lohasaha ikorianan'ny nanan'ny olon'ny Afobe. Ara-bakiteny hoe "loza" [e] Iliona: ny fanazavana io teny io dia hita ao amin'ny andininy faha-19 sy faha-20 [f] Azy ireo: ireo mpino pejy 588 Jozo (ampahatelopolo) faha-30 Sora (toko) faha-84 35. Eo ambony sezalava izy ireo no hitazana (azy ireo voasazy ao amin'ny Afobe). 36. (Mbola) hivaly amin'ireo tsy mpino (ihany) va (indray androany ) ny (ratsy) nataony (teto an-tany)? S084 AL-INSHIQAQ (Ny fitresahana) Amin'ny anaran'i Allah, Ilay be Indrafo, Ilay Mpamindrafo [a] (no hanombohako ny famakiana Korany) 1. Rehefa hitresaka ny lanitra; 2. sy hankato ny Tompony; sady adidiny (raha teo ny fankatoavana). 3. Ary rehefa hovelarina ny tany; 4. sy hamoaka izay ao anatiny, (dia ireo faty izany); sy hamoy (azy ireo tanteraka); 5. ary hankato ny Tompony; sady adidiny (raha teo ny fankatoavana) 6. Ry olombelona! Manao asa (hampody anao) amin'ny Tomponao tokoa ianao, ka hihaona Aminy. 7. Koa izay tolorana ny bokiny amin'ny tànany an-kavanana , 8. dia hotsaraina amim-pahamoràna; 9. ary hiverina (hiaina) amim-pifaliana eo anivon'ny fianakaviany (ao amin'ny Paradisa). 10. Fa izay tolorana ny bokiny avy ao an-damosiny kosa, 11. dia hiantso ny fahapotehana (ho an'ny tenany); 12. ary hodorana ao amin'ny afo mamaivay; 13. (Niaina) tamim- pifaliana teo anivon ’ ny fianakaviany tokoa izy (teny ambonin'ny tany), 14. (Ary) nihevitra ny tsy hiverina mihitsy any amin'ny Tompony. 15. Tsy izany anefa, fa nanara-maso azy tanteraka ny Tompony. 16. Tsia! [b] Mianiana [d] amin'ny faravodilanitra mena Aho (Zanaharinareo), 17. ary amin'ny alina sy izay koboniny, 18. ary amin'ny volana rehefa fenomanana, 19. (Mianiana [a] amin'ireo zavatra efatra ireo Aho) fa tsy maintsy mizotra amin'ny ambaratongam-piainana ianareo. 20. Fa nahoana izy ireo no tsy (mety) mino (Ahy sy ny andro farany)? 21. Ary tsy miankohoka akory rehefa vakiana aminy ny Korany? 22. Raha ny marina, ireo tsy mpino dia miampanga (ny Korany) ho lainga 23. Ary fantatr'i Allah tsara izay kobonin'izy ireo (ao am-po). 24. Koa ambarao azy ireo (ry Mpaminany) ny famaizana mamirifiry (izay miandry azy ireo). 25. Ireo mino sy manao asa soa kosa, dia hahazo valisoa tsy manam-petra. [a] Jereo ny toko "An-Naba'" (pejy 582) raha mila fanazavana mikasika ny "Bismillah" [b] Tsia!: tenim-piontanana faneronana, fa tsy fandavana tsy akory [d] Allah dia afaka mianiana amin'izay nohariany. Isika kosa dia tsy mahazo mianiana afa-tsy aminy irery ihany. pejy 589 Jozo (ampahatelopolo) faha-30 Sora (toko) faha-85 S085 AL-BURUJ (Ireo antokon-kintana) Amin'ny anaran'i Allah, Ilay be Indrafo, Ilay Mpamindrafo [a] (no hanombohako ny famakiana Korany) 1. Izaho (Allah) dia mianiana [b] amin'ny lanitra misy ireo antokon-kintana, 2. sy amin'ilay andro nampanantenaina, (dia ny andro farany izany) 3. ary amin'ny vavolombelona, sy amin'izay nijoroana ho vavolombelona, (dia ny Zoma sy ny andro Anrafa izany) 4. (Mianiana [b] amin'ireo zavatra efatra ireo Aho) fa voaozona ireo olon'ny hantsana [d] ; 5. (izay nadoro velona ireo mpino) tamin'ny afo feno fandrehetana 6. Izy ireo tamin'izany dia nipetraka nanodidina izany. 7. Ary dia vavolom- belon'ny (fampijaliana) nataon'izy ireo tamin'ireo mpino. 8. Ary tsy inona akory ny (antony) nankahalan' izy ireo ireo mpino, afa-tsy noho izy ireo nino an'i Allah, Ilay Tsitoha, Ilay Mendri- piderana, 9. Ilay Tompon'ny fanjakan' ny lanitra sy ny tany. Fa Mahita ny zavatra rehetra i Allah. 10. Hamafisina , fa ireo nampijaly ny mpino lahy sy vavy, ka tsy (nahatsiaro) nibebaka, dia hahazo ny sazin'ny Afobe sy ny sazy mandoro; 11. Ireo izay nino sy nanao asa soa kosa, dia hahazo ny Paradisa izay ikorianan'ny renirano eo ambaniny Fahombiazana lehibe izany. 12. Mafy tokoa ny sazin'ny Tomponao (ry Mohamady). 13. Izy tokoa no Nahary tany am-piandohana , sy hamerina izany indray. 14. Ary izy Ilay Mpamela heloka sy be Fitiavana, 15. Ilay Tompon'ny Seza Fiandrianana be voninahitra, 16. Mpanao izay sitrany. 17. Moa tonga taminao va ny nanjo ireo tafika (fahiny), 18. (toy ny tafik')i Firaona (Farao) sy Samody? 19. (Mbola) mifikitra amin'ny tsy finoana (ihany) anefa ireo tsy mpino, 20. Ary tsy misy miafina amin'i Allah izay rehetra ataon'izy ireo. 21. (Tsy tononkalo tsy akory ity) fa Korany be voninahitra, 22. (voatahiry) anaty takelaka mirakitra ny laha-javaboahary. [a] Jereo ny toko "An-Naba'" (pejy 582) raha mila fanazavana mikasika ny "Bismillah" [b] Allah dia afaka mianiana amin'izay nohariany. Isika kosa dia tsy mahazo mianiana afa-tsy aminy irery ihany. [d] Olon'ny hantsana: i Zonoasy sy ireo miaramilany; izay nanao hantsana handoroam-belona ireo mpino kristianina tany Emena. Tamin'ny taonjato fahadimy no nitrangan'izany seho izany. pejy 590 Jozo (ampahatelopolo) faha-30 Sora (toko) faha-86 S086 AT-TARIQ (Ilay miseho amin'ny alina) Amin'ny anaran'i Allah, Ilay be Indrafo, Ilay Mpamindrafo (no hanombohako ny famakiana Korany) 1. Izaho (Allah) dia mianiana amin'ny lanitra sy amin'ilay miseho amin'ny alina. 2. Moa mba fantatrao va ilay miseho amin'ny alina? 3. Kintana mihalontralona [a] izany. 4. (Mianiana amin'ireo zavatra roa ireo Aho) fa ny olona tsirairay dia manana (anjely izay) mpirakitra an-tsoratra (ireo asa vitany, na tsara na ratsy) 5. Koa aoka ny olombelona handinika [b] , avy amin'inona no nahariana azy. 6. Nohariana avy amin'ny rano mifantsitsitra izy, 7. (izay) mivoaka avy eo anelanelan'ny valahana sy ny taolantehezana. 8. Afaka manangana azy amin'ny maty tokoa Izy, [d] 9. amin' ny andro hamorahana ny ao am-po(n' ny tsirairay). 10. Ka tsy hanana hery sy mpamonjy izy (amin'izany andro izany). 11. Mianiana amin'ny lanitra izay mateti-manorana [e] Aho, 12. sy amin'ny tany vakin'ny voa mitsimoka [f] , 13. (fa) tena teny enti- manavaka (ny marina sy ny diso) tokoa ity (Korany ity), 14. fa tsy mba vazivazy tsy akory. 15. Mampiasa ny hafetsen-dratsiny tokoa izy ireo (mba hampanjakana ny diso), 16. Ary hampiasa ny hafetseko ihany koa Aho (mba hampanjakana ny marina). 17. Koa omeo fe-potoana ireo tsy mpino (ry Mohamady); omeo fe-potoana kely ihany. S087 AL-A'LA (Ilay Avo indrindra) Amin'ny anaran'i Allah, Ilay be Indrafo, Ilay Mpamindrafo (no hanombohako ny famakiana Korany) 1. Derao ny anaran'ny Tomponao, Ilay Avo indrindra, 2. Izay Nahary sy nandavorary, 3. lzay nandahatra sy nitari-dàlana, 4. Izay nampitsiry [g] ny vilona, 5. ka nanao izany ho maina sy mainty. 6. Hampamaky (tsianjery) Korany anao izahay (ry Mohamady), ka tsy ho hadinonao (velively izany), 7. afa-tsy izay sitrak'i Allah. Mahalala ny miharihary sy ny miafina Izy. 8. Ary hankamorainay aminao ny fanaovan- tsoa [h] , 9. Koa mampahatsiahiva, raha mbola ilaina ny fampahatsiahivana, 10. (fa) hahatsiaro (izany) izay manam-pahatahorana; 11. ary hihataka izany kosa ireo fadiranovana indrindra, 12. (dia ireo tsy mpino) izay hodorana amin'ny Afobe; 13. sady tsy ho faty izy ao, no tsy ho velona. 14. Nandresy kosa ireo nanadio ny tenany (amin'ny alalan'ny fihatahana ireo fahotana), 15. sy nahatsiaro ny anaran'ny Tompony, ary nanao Soalà (ara-potoana). [a] Mihalontralona: mamiratra mipendrampendrana [b] Handinika: ara-bakiteny hoe "hijery" [d] Fananganana amin'ny maty: ara-bakiteny hoe "famerenana" [e] Mateti-manorana: ara-bakiteny hoe "manam-pamerenana" [f] Vakin'ny voa mitsimoka: ara-bakiteny hoe "manam-baky" [g] Nampitsiry: namoaka [h] Fanaovan-tsoa: ara-bakiteny hoe "tanan-kavia" pejy 591 Jozo (ampahatelopolo) faha-30 Sora (toko) faha-88 16. Saingy tianareo kokoa ny fiainana eto an-tany. 17. Ny fiainana any an- koatra anefa no tsara sy maharitra. 18. Izany tokoa no tao amin'ireo rakitsoratra masina teo aloha, 19. dia ny rakitsoratra masin'i Ibrahimo (Abrahama) sy ny an'i Mosa (Mosesy). S088 AL-GHASHIYA (Ilay mpandrakotra [a] ) Amin'ny anaran'i Allah, Ilay be Indrafo, Ilay Mpamindrafo [b] (no hanombohako ny famakiana Korany) 1. Moa tonga taminao va ny tantaran' ilay (andro) mpandrakotra. 2. Hisy tarehy voaetry amin'izany andro izany; 3. vizana sy torovanan'ny (gadra-vy); 4. hodorana anaty afo mahamay; 5. hampisotroina avy amin'ny loharano mangotraka. 6. Tsy hanan-tsakafo afa- tsy tsilo mafaitra izy ireo (ao); 7. (izay) sady tsy hampatavy no tsy hanala hanoanana. 8. (Hisy) tarehy mirana amin'izany andro; 9. faly tamin'ny ezaka vitany; 10. (hitoetra) amin'ny Paradisa ambony (dia ambony). 11. Ao dia tsy handrenesany teny tsy maotina; 12. (ary) misy renirano mikoriana, 13. sy fandriana avo toerana , 14. sy kaopy voahomana, 15. sy ondana fiankinana voalahatra, 16. ary lafika malemilemy voavelatra. 17. Moa ts y mijery ny rameva va izy ireo, ahoana ny fomba nahariana azy? 18. Sy ny lanitra, ahoana ny fomba nampakarana azy? 19. Sy ny tendrombohitra , ahoana ny fomba nananganana azy? 20. Ary ny tany, ahoana ny fomba namelarana azy? 21. Koa mampahatsiahiva azy ireo ianao (ry Mohamady), fa mpampatsiahy ihany ianao. 22. (Fa) tsy mpifehy azy ireo (tsy akory). 23. Ireo izay nanome lamosina sy tsy nino kosa, 24. dia hosazian'i Allah amin'ny famaizazana lehibe. 25. Aty Aminay tokoa no hodian'izy ireo. 26. Izahay ihany avy eo no hitsara azy ireo. [a] Ilay mpandrakotra: Ny tiana holazaina eto dia ny andro farany; andro izay handrakotra ny olombelona amin'ny halozany. [b] Jereo ny toko "An-Naba'" (pejy 582) raha mila fanazavana mikasika ny "Bismillah" pejy 592 Jozo (ampahatelopolo) faha-30 Sora (toko) faha-89 S089 AL-FAJR (Ny maraina mangiran-dratsy) Amin'ny anaran'i Allah, Ilay be Indrafo, Ilay Mpamindrafo [a] (no hanombohako ny famakiana Korany) 1. Izaho (Allah) dia mianiana [b] amin' ny maraina mangiran-dratsy, 2. sy amin'ireo alina folo [d] 3. sy amin'ny ankasa sy tsy ankasa [e] , 4. ary amin'ny alina rehefa ho lasa. 5. Moa tsy misy fianianana (ampy) ho an'ireo manan- tsaina va amin'izany? 6. Moa tsy fantatrao [f] ve hoe ahoana no nanaovan ' ny Tomponao ireo Andy [g] ? 7. dia ireo Irama izany, (vahoaka) rapeto [h] , 8. izay tsy nisy ny nohariana toa azy ireo [i] teny ambonin'ny tany [j] ; 9. sy ireo Samody [g] izay nandoaka ireo vatolampy tany an-dohasaha [k] (hatao trano fonenana); 10. ary i Firaona (Farao), ilay tompon'ny andry fana- saziana [l] ; 11. izay hoe nihoa-pefy (avokoa izy ireo) teny ambonin'ny tany [j] ; 12. nampiely faharatsiana maro teny. 13. Ka nandefasan'ny Tomponao sazy mafy izy ireo 14. Hamafisina fa manara-maso (ny ataonareo olombelo- na) ny tomponao. 15. Ny olombelona rehefa tsapain'ny Tompony, ka omeny voninahitra sy soaviny, dia hiteny hoe: "Nomen'ny Tompoko voninahitra aho". 16. Ary rehefa tsapainy kosa izy, ka nataony sahirana ara-pivelomana, dia hiteny hoe: "Notsinontsinoavin'ny Tompoko aho". 17. Tsia! [m] Ianareo aza no tsy mba manome voninahitra ny kamboty, 18. no sady tsy mifampirisika hanome sakafo ny mahantra, 19. sy mandraoka harena (izay lova ho an'ireo kamboty sy ho an'ireo vehivavy), 20. ary mankamamy harena diso tafahoatra. 21. Tsia! [n] Rehefa hihorohoro mafy izay tsy izy ny tany, 22. sy (rehefa) ho avy ny Tomponao (hitsara anareo olombelona) ary (ho avy) ireo anjely hitandahatra. 23. Ary amin'izany andro izany, hoentina ny Afobe; andro izay hahatsiarovan'ny olombelona (izay nataony). Ho inona intsony anefa no ilainy ny fahatsiarovana? [a] Jereo ny toko "An-Naba'" (pejy 582) raha mila fanazavana mikasika ny "Bismillah" [b] Allah dia afaka mianiana amin'izay nohariany. Isika kosa dia tsy mahazo mianiana afa-tsy aminy irery ihany. [d] Ireo alina folo: ny 01 ka hatramin'ny 10 Zolhija [e] Ankasa sy tsy ankasa: andron'ny Idy Be (10 Zolhija) sy andron'ny Arafa (09 Zolhija) [f] Moa tsy fantatrao: ara-bakiteny hoe "moa tsy hitanao" [g] Andy sy Samody: anaram-poko. Jereo ao amin'ny vodi-pejy raha mila fanazavana. [h] Vahoaka rapeto: ara-bakiteny hoe "izay manana halavana". Fanamarihana: "Irama" dia vahoaka fa tsy tanàna tsy akory. Ary ny dikan'ny "Imad" eto dia "halavana" fa tsy "andry" tsy akory. [i] Azy ireo: Ilay mpisolo tena fameno " هَا" dia miverina amin'ny foko (na vahoaka) Irama [j] Teny ambonin'ny tany: ara-bakiteny hoe "teo amin'ireo tanàna". [k] Lohasaha: ara-bakiteny hoe "ilay lohasaha"; ilay lohasaha any Hijazy izay nonenan'izy ireo. [l] Andry fanasaziana: Andry famatorana ireo mpino. Avela mihantona eo izy ireo mandramaty. [m] Tsia!: Diso hevitra ny olombelona. Ny fananany fiainana metimety dia tsy midika ho fanomezam-boninahitra azy. Ary ny fahantrany dia tsy midika ho fanaovana tsinontsinona azy. [n] Tsia!: tenim-piontanana faneronana, fa tsy fandavana tsy akory pejy 593 Jozo (ampahatelopolo) faha-30 Sora (toko) faha-90 24. Hiteny izy hoe: "E! Tahaka izay aho nanao (ny tsara) ho an'ny fiainako (any an-koatra)". 25. Amin'izany andro izany, dia tsy hisy afaka hanasazy tahaka ny Fanasaziany, 26. ary tsy hisy afaka hamatotra (amin'ny rojo vy) tahaka ny Famatorany. 27. Ry fanahy tony (noho ny finoana sy ny fanaovan- tsoa), 28. miverena amin'ny Tomponao amim-pankasitrahana sy ankasitrahina. 29. Koa mandrosoa ho isan'ireo mpanompo (mendriko), 30. ary mandrosoa ao amin'ny Paradisako. S090 AL-BALAD (Ilay tanàna) [a] Amin'ny anaran'i Allah, Ilay be Indrafo, Ilay Mpamindrafo [b] (no hanombohako ny famakiana Korany) 1. Izaho (Allah) dia mianiana [d] amin' ity tanàna (Makka) ity. 2. Ary ianao (ry Mpaminany) dia afa-manao [e] (izay tianao atao) amin'io tanàna (feno fadifady) io [f] 3. Ary (mianiana ihany koa Aho) amin'i Adama [g] sy ny taranany, 4. fa noharianay hiatrika fahasarotana (eo amin'ny fiainana) ny olombelona. 5. Mihevitra va izy fa tsy hisy hahavita hanohitra azy velively (na hanafay azy amin'ireo fahotana vitany)? 6. Hilaza izy hoe: Harem-be no laniko (tamin'ny fanoherana an'i Mpaminany). 7. Mihevitra va izy fa tsy misy mpahita? 8. Moa tsy nanome maso roa azy Izahay [h] , 9. sy lela iray ary molotra roa? 10. Ary nanoro azy ny lalana roa Izahay [h] , (dia ny tsara sy ny ratsy). 11. Tsy nandalo tamin'ny lalana sarotra anefa izy. 12. Moa fantatrao va izany lalana sarotra izany (izay mitondra mankany amin'ny Paradisa)? 13. (Izany dia) fanafahana andevo, 14. na fanomezana sakafo, amin'ny andron'ny mosary, 15. ny havana kamboty, 16. na ny mahantra fadiranovana (tsy manana na inona na inona), 17. avy eo mba anisan'ireo izay nino sy nifampitaona tamin'ny faharetana ary nifampitaona tamin'ny fifampiantrana. 18. Ireo no olon'ny ankavanana. 19. Fa izay tsy nino ireo andininy avy aty Aminay [h] kosa, dia izy ireo no olon'ny an- kavia. 20. Afo manarona no ho azy ireo. ddddd [a] Ilay tanàna: ara-bakiteny hoe "ilay firenena" [b] Jereo ny toko "An-Naba'" (pejy 582) raha mila fanazavana mikasika ny "Bismillah" [d] Allah dia afaka mianiana amin'izay nohariany. Isika kosa dia tsy mahazo mianiana afa-tsy aminy irery ihany. [e] Afa-manao (izay tianao atao): Tsy fahotana ho anao ny mamono ireo mpanompo sampy izay monina amin'io tanàna io, na koa misambotra azy ireo. [f] Hoy ireo manam-pahaizana manokana momba ny tafsiry: "Io andininy io dia fehezanteny ao anaty fononteny, izany hoe i Mpaminany dia tsy tafiditra ho anisan'ireo zavatra nianianana". [g] Adama sy ny taranany: ara-bakiteny hoe "ray sy izay naterany" [h] Ny mpisolo tena "izahay" eto dia tsy midika hamaroana. Ny haja amam-pahefan'Ilay Nahary no fonosiny. pejy 594 Jozo (ampahatelopolo) faha-30 Sora (toko) faha-91 S091 AS-SHAMS (Ny masoandro) Amin'ny anaran'i Allah, Ilay be Indrafo, Ilay Mpamindrafo [a] (no hanombohako ny famakiana Korany) 1. Izaho (Allah) dia mianiana [b] amin' ny masoandro sy ny tara-pahazavany, 2. sy amin'ny volana rehefa mandimby azy, 3. sy amin'ny andro rehefa mam- piharihary azy, 4. sy amin'ny alina rehefa manafina azy, 5. sy amin'ny lanitra sy ny fahariana azy, 6. sy amin' ny tany sy ny famelarana azy (ho toy ny lamaka), 7. sy amin'ny fanahy ary ny fandavorariana azy. 8. Ka nampa- hafantari(ko) azy ny ratsy sy ny tsara. 9. (Mianiana amin'ireo zavatra iraika ambin'ny folo ireo Aho) fa sambatra izay manadio ny fanahiny [d] 10. Ary maty antoka kosa izay mandoto azy (amin' ny fahotana). 11. Tsy nino (ny iraka izay nalefa tamin'izy ireo) ireo Samody noho ny fahotana tafahoatran' izy ireo. 12. Rehefa nitsangana ny olon-tsy vanona indrindra tamin'izy ireo (dia i Kodara izany, hisolo tena azy ireo amin'ny famonoana ilay rame- vavavy mahagaga). 13. Dia hoy ilay mpaminan'i Allah (tamin'izy ireo): "(Aza kitihinareo) ny ramevavavin'i Allah, ary (aza kitihinareo) ny anjara ranony". 14. Tsy ninoan'izy ireo anefa izy, ary dia nolentan'izy ireo ilay izy [e] . Ka naringan'i Allah izy ireo noho ny fahotany [f] . Ary dia nataony mitovy ny rehetra. 15. Ary tsy manam-panahiana amin'izay mety ho vokatr'izany i Allah. S092 AL-LAYL (Ny alina) Amin'ny anaran'i Allah, Ilay be Indrafo, Ilay Mpamindrafo [a] (no hanombohako ny famakiana Korany) 1. Izaho (Allah) dia mianiana [b] amin'ny alina rehefa mandrakotra (ny tany aman-danitra ny haiziny), 2. sy amin'ny andro rehefa mihiratra tsara, 3 . ary amin'izay Noharia(ko) lahy sy vavy, 4. fa tsy mitovy ny asa vitanareo. 5. Koa na iza na iza mahafoy manome sy manam-pahatahorana, 6. ary mino ny Paradisa [g] , 7. dia hamoranay ho azy ny fanaovan-tsoa. 8. Ary na iza na iza kosa mahihitra sy mihevi-tena ho manana ny ampy (ka tsy miraharaha Ahy), 9. ary tsy mino ny Paradisa [g] , 10. dia hamoranay ho azy ny fanaovan- dratsy. 11. Ary tsy hahavotra azy akory ny hareny rehefa latsaka (ao anaty Afobe) izy. 12. Adidinay tokoa ny fitarihana (amin'ny fahamarinana). 13. Ary hamafisina fa eo am-pelatananay ny fiainana any an-koatra sy ny eto an-tany. 14. Koa efa nampitandremako anareo àry ny afo miredareda. [a] Jereo ny toko "An-Naba'" (pejy 582) raha mila fanazavana mikasika ny "Bismillah" [b] Allah dia afaka mianiana amin'izay nohariany. Isika kosa dia tsy mahazo mianiana afa-tsy aminy irery ihany. [d] Ny fanahiny: ara-bakiteny hoe "azy" [e] Nolentana: nosomindaina, notapahin-tenda [f] Naringan'i Allah izy ireo: ara-bakiteny hoe "Tezitra mafy tamin'izy ireo ny Tompon'izy ireo" [g] Ny Paradisa: ara-bakiteny hoe "ny tsara pejy 595 Jozo (ampahatelopolo) faha-30 Sora (toko) faha-93 15. Tsy misy ho dorana ao afa-tsy ny olon-dratsy, 16. dia izay nilaza (ny Korany) ho lainga ary nanome lamosina. 17. Hanalavitra izany kosa ny olona vontompinoana. 18. dia izay manolotra ny hareny ho fanadiovana ny fanahiny. 19. Tsy ny valisoa avy amin'ny olona no tadiaviny amin'ireo asa soa izay ataony, 20. fa ny valisoa avy amin'ny Tompony [a] , Ilay Avo Indrindra. 21. Ary dia ho afa-po tokoa izy. S093 AD-DHUHA (Ny tapak'andro maraina [b] ) Amin'ny anaran'i Allah, Ilay be Indrafo, Ilay Mpamindrafo [d] (no hanombohako ny famakiana Korany) 1. Izaho (Allah) dia mianiana [e] amin' ny tapak'andro maraina, 2. sy amin'ny alina rehefa maizina dia maizina. 3. (fa) tsy nandao na nankahala anao ny Tomponao (ry Mpaminany). 4. Ny fiainana any an-koatra no tsara ho anao noho izao fiainana izao. 5. Ary hanome anao (valisoa lehibe) ny Tom- ponao, ary dia ho afa-po (amin'izany) ianao. 6. Moa tsy hitany kamboty va ianao, ka nomeny fialofana? 7. Moa tsy hitany very va ianao, ka notarihiny lalana? 8. Moa tsy hitany nahantra va ianao, ka nomeny ny ampy? 9. Koa aza ratsy fitondra ny kamboty àry ianao. 10. Ary aza manosi - bohon - tànana ny mpangataka. 11. Ary tantarao (amin'ny olona) ny tsara nomen'ny Tomponao anao. S092 AS-SHARH (Ny fanokafam-po) Amin'ny anaran'i Allah, Ilay be Indrafo, Ilay Mpamindrafo [d] (no hanombohako ny famakiana Korany) 1. (Ry Mpaminany) moa tsy efa nosokafanay va ny fonao [f] (ka zary lasa tia fatratra ny momba ny finoana silamo ianao)? 2. Ary namela ny fahotanao Izahay [g] , 3. izay nampahory anao ka tsy nahavitanao nitraka [h] 4. Ary nasandratray ho ambony ny lazanao. 5. Hamafisina fa mifanindran-dàlan